mercredi 30 janvier 2008

Tour de Norvège;-)

Nahafinaritra ny dia nitety faritra maro teto Norvezy! Nanombohana ny lalana dia nandeha Oslo avy aty avaratra be, nipetra ka tao 3 andro ary i Torgeir namana efa tany Madagasikara no nampiantrano. Nilay be tany sady noentin'lery nijery zavatra bobaka be za, ohatra ny Park ao Oslo:

Noentin'lery niangona tany @le fiangonan'ny tanora izay koa za, tanora fotsiny no mivavaka ao @le fiangonana sady milay be ny revy ao:Nisy namana malagasy koa naniry ny hifankahita tamiko ka dia nanasa ahy sy Torgeir hisakafo tany aminy ry zareo, nilay be ny fety sady cool be daholo ry zareo:












Taorian'izany dia lasa nankany Kristiansand indray, tanàna somary atsimo ben'i Norvezy ihany izy io, Tao dia nijanona roa andro ary namangy an'ilay sekoly Birkeland Folkehøgskole izay mety hianarako @ taona manaraka, 30 min mandeha buss avy ao Kristiansand.















Rehefa vita izany dia nandeha Stavanger indray, i Nils Kristian Høimyr izay efa misionera taloha be tany Madagasikara sy ny vadiny ary i Randria sy ny vadiny no nitsena ahy, tena mahafinaritra ry zareo sady mbola mahay miteny gasy be daholo.





Noentin-dry zareo nijery zavatra be dia be koa za tao Stavanger sady noentiny namangy an-dry Pasteur Rivo sy Laila ary nisakafo tany, vao misionera vao tamin'ny taona lasa koa ry Pasteur Rivo sy Laila.









4 andro no tao Stavanger dia nandeha nankany Norheimsund indray, tany @sekoly antsoina hoe Framnes, tao dia namangy an'i Kathrine, Eirin ary i Hans izay efa nipetraka 4 taona tany Madagasikara koa. Nahafinaritra tany Framnes fa rehefa tonga tany aho dia nisy programa nilay be tany.


Nijanona 3 andro ihany tao dia nitohy ny dia, nandeha nankany Bergen indray, i Steinar no nitsena sy nampiantrano, miteny gasy gaigy lahy koa lery:Nahafinaritra ny nipetraka tao @lery, mianatra izy @maraina dia tonga any am-pianaran-lery za rehefa mirava lery de lasa izahay mandehandeha eran'ny tanàna, any am-pianarana ihany ry zareo no misakafo dia tonga makafika naly any za. Noentin-lery nijery zavatra bobaka koa za, misy vohitra izay, mandeha ohatran'ny karazana lamasina izay no fiakarana eny ary mahita ny tanànan'ny Bergen rehetra, noentin-lery nanao foot niaraka t@ namana bobaka be koa za ary noentiny tany anaty lanezy;-)



Rehefa nandeha tany am-pianaran-dry zareo aho dia nifankahita indray tamin'i Sophie satria sekoly iray no ianaran'izy ireo, namana tany Madagasikara koa, tena faly be izy nahita ahy ary nasainy nisakafo tany aminy aho sady sendran'ny anniversaire-ny koa tamin'io, nilay be;-)



Namaranana ny fitetezam-paritra dia nandeha Molde, i Audun sy Runa no nitsena ahy teo @ aéroport ary nilay be fa nitondra saina Malagasy ngeza be ry zareo nitsena ahy, tao @ry zareo koa moa aho no nipetraka nandritra ny herinandro iray. Nilay be tao sady nanao fety be izahay ary nanao zavatra be dia be koa:

Nijery ny stade de foot tao Molde niaraka izahay 3.Noentin-dry zareo nandeha ski koa, sasatra ny mianjera fa tsy anjara eh...Nanao afon-dasy tany amoron-dranomasina koa izahay 3 dia nitondra sakafo sy zava-pisotro bobaka;-)
Noentin'izy dahy tany Torvikbukt aho
nanao ski sy namangy ny ray aman-dreniny ary ny zandriny satria any izy ireo no mipetraka, faly be ny ray aman-drenin'dry zareo fa hoe misy anaovana pratika teny Malagasy indray:-) Tena faly ry zareo rehefa namangy tany aho ary niteny fa tsy maintsy miverina aho @ manaraka ary mipetraka any elaela.
Ny 30 janvier aho no nandeha Oslo indray ary nandeha Harstad/Narvik avy eo, tsy mbola tena tonga fa mbola mandeha buss mankany @ tanàna antsoina hoe Sortland indray, 3 ora @ buss avy eo @ aéroport ary tao no nitsena ahy indray i Reimar.

Aucun commentaire: