vendredi 21 décembre 2007

Salama e!

Izao vao afaka manoratra fa mbola vizakan'ny lalana lavitra be. Nahafinaritra ny dia ary tsy dia sarotra loatra araka ny nieritreretana azy. Tao Paris nivezivezy be satria tena ngeza be le aéroport-n'ni Charle de Gaulle. Vita teo @ adiny roa teo ny fivezivezena de naka aina fa savla be, nanainga indray ora vitsy dia tonga tao Oslo. I Sindre no nitsena ahy voalohany tao:



Nahafinaritra ny nihaona t@ lery indray. Nentin'lery nandehandeha eran'ny tanànan'ny Oslo aho dia nentiny tany am-piasanan'i Elin(vadiny), nanao fotoana t@ Torgeir avy eo dia lasa nividividy zavatra eran'ny tanànan'i Oslo izahay mtsam fa i Sindre lasa nody nikarakara sakafo ho anay.


Rehefa avy nisakafo dia nandeha tany @ aéroport indray nanatitra ahy sy nitsena an'i Kathrine ary niara-nanainga nankany Harstad/Narvik izahay roa avy eo:
Tonga tany dia i Reimar(dadan'i Kathrine) no nitsena anay ary ora telo @ fiarakodia vao tonga aty @ tananan-dry zareo. Saika matin'ny atsiaka aho fa nareo nga ahoana? Nisakafo kely dia natory avy eo rehefa tonga fa savla be daholo...