vendredi 21 décembre 2007

Salama e!

Izao vao afaka manoratra fa mbola vizakan'ny lalana lavitra be. Nahafinaritra ny dia ary tsy dia sarotra loatra araka ny nieritreretana azy. Tao Paris nivezivezy be satria tena ngeza be le aéroport-n'ni Charle de Gaulle. Vita teo @ adiny roa teo ny fivezivezena de naka aina fa savla be, nanainga indray ora vitsy dia tonga tao Oslo. I Sindre no nitsena ahy voalohany tao:



Nahafinaritra ny nihaona t@ lery indray. Nentin'lery nandehandeha eran'ny tanànan'ny Oslo aho dia nentiny tany am-piasanan'i Elin(vadiny), nanao fotoana t@ Torgeir avy eo dia lasa nividividy zavatra eran'ny tanànan'i Oslo izahay mtsam fa i Sindre lasa nody nikarakara sakafo ho anay.


Rehefa avy nisakafo dia nandeha tany @ aéroport indray nanatitra ahy sy nitsena an'i Kathrine ary niara-nanainga nankany Harstad/Narvik izahay roa avy eo:
Tonga tany dia i Reimar(dadan'i Kathrine) no nitsena anay ary ora telo @ fiarakodia vao tonga aty @ tananan-dry zareo. Saika matin'ny atsiaka aho fa nareo nga ahoana? Nisakafo kely dia natory avy eo rehefa tonga fa savla be daholo...

mardi 27 novembre 2007

TOTY Dene beste bass spiller

Izy ilay mpilalao gitara basy henjana be teto Madagasikara, maty herinandro vitsivitsy izay...Nahavita zavatra betsaka izy teo amin'ny mozika Malagasy.
Ity anisan'ny sangan'asany tamin'ny fahatanorany:
http://www.dailymotion.com/video/x2nj9g_toty_music

Han er dene beste bass spiller paa Madagaskar som døde,det var noen uker siden...Han betyr mye for alle gassiske musikker.
Det er en av hans performance da han var unge:
http://www.dailymotion.com/video/x2nj9g_toty_music

dimanche 11 novembre 2007

Maty i Tôty


Maty tamin'ny talata 05 Novambra teo i Tôty. Izy dia afaka milalao ny karazan-javamaneno rehetra fa ny tena nahalalana azy dia ny gitara-basy. Malaza tsy eto Madagasikara fotsiny izy fa any amin'ny firenena hafa foa, toa an'i france, Maurice, La Réunion... Betsaka ny mpilalao mozika malagasy mandray azy ho "idole". Betsaka koa ny mpanao mozika malagasy no tsy afaka manadino azy satria izy no ray aman-drenin'ny mpanao mozika malagasy ankehitriny, nampianatra zavatra manan-danja betsaka ho an'ny mpilalao mozika malagasy rehetra izy ary nanome toro-hevitra betsaka. Tena nikohizana izy ary betsaka ny tantara napetrany izay tsy ho adinoinay!!


Tôty er død den tirsdag 05 November 2007. Han kan spille alle musikk-instrument men hans spesialitet er bass-gitar.Han er så berømt ikke bare på Madagaskar men på andre land også, som France, Mauritius, La Réunion... Det er mange gassisk musikalk som gjøre hanne som idol. Mange gassisk musikalk kan ikke glemme hanne fordi han er
foreldren til alle gassisk musikalk nåværende, han har lært mange god ting til alle gassisk musikalk og gav mange råd. Han var så flink og det er mange historie fra han som vi skal ikke glemme!!

vendredi 2 novembre 2007

Normal Gospel

Normal Gospel dia koral iray eto Antsirabe. Normal dia midika hoe Norveziana-Malagasy. Mihira hira malagasy, hira anglisy ary hira norveziana izahay. Niato fotoana maharitraritra ny koral rehefa tsy nahazo nanao famerenan-kira tao amin'ny sekoly norveziana Antsirabe. Nieritreritra izahay fa tsara ny mihira an'Andriamanitra sy ny manohy ny fiarahana toy ny teo aloha. Nitady toerana hanaovana an'izany izahay ary nahita ny RFF(Radio Feon'ny Filazantsara). Nisy mpikambana norveziana maro tamin'ny mbola tao amin'ny DNS (Sekoly Norveziana) ny foibenay.

Normal Gospel er ett kor på Antsirabe. Normal betyr Norsk-Malagasy. Vi synger gassisk sang, engelsk sang og norsk sang. Vi resterer lange siden med koret når vi kunne ikke ta øve på DNS (Den Norske Skole). Vi tenket at der er fint å synge til til Gud og å fortsette vår forhold som før. Vi søket en plass å gjøre det og vi finnet RFF (Radio Feon'ny Filazantsara). Når sitteplassen til Normal Gospel var på DNS, det var mange norsk venner som ledd.



Ny 17 Oktobra 2007 teo dia nanomboka indray izahay ary i Toky no mpitendry. Malagasy avokoa izahay izao, tsy maro be loatra ary ao amin'ny RFF no foibe.


Den 17 Oktober 2007, vi begynnet på nytt og vi har Toky som pianist. Nå er vi alle gassisk, ikke så mye og sitteplassen er på RFF.


Mbola tianay ny manana namana norveziana ho mpikambana sy manana fifandraisana amin'ny DNS, misionera norveziana, misionera norveziana taloha ary ireo namana norveziana efa any norvezy. Mbola manohy ny fiaraha-miasa amin'ny fiangonana maro eto Antsirabe izahay ary mbola tianay ny hitohizan'ny fiaraha-miasa amin'ny DNS, misionera norveziana, misionera norveziana taloha ary ireo namana norveziana eto Madagasikara sy any Norvezy.

Vi liker igjen å ha norsk venn som ledd og å ha forhold med DNS, med norsk misjonær, gamle norsk misjonær og med de andre norsk venner i Norge. Vi fortsetter vår samarbeid med mange kirke på Antsirabe og vi liker igjen å fortsette vår samarbeid med DNS, med norsk misjonær, med gamle norsk misjonær og med norsk venner på Madagaskar og i Norge.

lundi 15 octobre 2007

Hvem er henne?

Izy dia vehivavy mahafatifaty toy ny anjely, vehivavy voatokana ho an'i Tsiky. Izy koa dia vehivavy manana fitsiky mahafinaritra sy oroka mamy sy malemy be. Mahafinaritra be daholo ny fianakaviany. Vehivavy norveziana izy ary malagasy kely koa satria efa nipetraka 4taona teto Madagasikara ary tia sakafo malagasy;-) Izy dia tia mikarakara sakafo sy manao fanatanjahan-tena miaraka amiko;-) Izy dia vehivavy mahafinaritra izay tia ny namany rehetra ary vehivevy tokana izay manana tsingerin-taona nahaterahana androany...iza ary izy?


Hun er ei fin jente som en engel, ei spesiell jente for Tsiky. Hun også er ei jente som har en fint smil og søt kyss. Familien henne er alle så snill. Hun er ei norsk jente og litt gassisk også fordi hun har bott 4år på Madagaskar og liker gassisk mat;-) Hun liker å lage mat og gjøre sport sammen med meg;-) Hun er ei snill jente som liker alle vennen henne og hun er ei unik jente som har bursdag i dag...Hvem er henne?








Valiny: Kathrine BRUN
Svar : Kathrine BRUN

dimanche 14 octobre 2007

Nils Kristian og Paula HøIMYR.

Misionera norveziana taloha izy ireo ary efa nipetraka 11taona teto Madagasikara. Tany Norvezy izahay no nihaona voalohany tamin'ny dianay tany. Mamangy an'i Madagasikara ry zareo izao ary nifankahita indray izahay teto Antsirabe tamin'ny Alakamisy farany teo tao amin'ny "Hotel ds Thermes". Mbola tena mahay teny gasy tsara izy ireo. Nahazo fanomezana tamin-dry zareo ny fianankaviako ary nanomana zavatra kely ho azy ireo koa ny fianankaviako. Tena mahafinaritra ry zareo ary faly avokoa izahay!! Tian-dry zareo aho raha mamangy azy ireo any Norvezy rehefa tonga any!

De er gamle norsk misjonær på Madagaskar og de har bott 11år på Madagaskar. Vi treffet dem i Norge da vi har reist der også det er først gangen vi treffet dem. De besøker Madagaskar nå og treffet igjen her i Antsirabe den siste torsdag på "Hotel des Thermes". De er så flink igjen i å snakke gassisk. Familien min fått masse fint gave fra dem og vi lagt en gave til dem også. De er så snill og vi er så glad alle sammen!! De vil meg å besøke dem, i Norge, når jeg kommet der!

jeudi 13 septembre 2007

Camping






Ny 08-09 Septembre 2007 teo; aho, Toky, Jana, Glou ary Njaka dia nikarakara fitsangatsanganana tany Manandona(21 km avy eto Antsirabe). Toerana mahafinaritra i Manandona. Misy riandrano betsaka sy dobo fil0manosana voajanahary any. Misy renirano ahafahana milomano koa ary misy fasika manodidina azy izay ahafahana manao "bain de soleil". Toy ny eny amorontsiraka;-)



Den 08-09 September 2007; meg, Toky, Jana, Glou og Njaka har lagt en flott camping i Manandona(21 km fra Antsirabe). Det er en fint plass, i Manandona. Det er mange faller og naturlig svømmebasseng der. Det også er en elv som vi kan svømme og det er sabel omkring den elv som vi kan ha en sola bad. Som vi er på badestrand;-)


Nitondra sakafo, tante ary kojakojan-dakozia avy aty antsirabe izahay ary nikarakara sakafo tany.Natsiro be ny sakafo nokarakarain-dry zalahy:-) ary nihinana vary amin'anana sy kitoza betsaka izahay tamin'ny hariva:






Vi bæret mat, telt og kjøkken matetiell fra Antsirabe og vi lagt mat der. Maten som de andre lagt var så god mat:-) og vi spist masse "vary amin'anana sykitoza" på kveld:


Rehefa nisakafo hariva izahay dia tonga i Valohery niaraka tamin'ny lampe keliny. Natahotra izahay fa noheverinay fa olona tonga hanakotaba anay izy, nitsangana izahay ary nanatona ilay hazavan'ilay lampe. Rehafa tonga akaikikaiky izahay dia niteny iy fa: "D'ahoana, izaho ihany ity,Valohery" ary faly indray izahay:-)

Da vi spist middag, Valohery kommet der med ett litt fakkel. Vi var redd fordi vi tenkt at han er en person som skal gjøre en bommert mot oss, da vi stått opp og nærmt seg den lys. Når vi kommet ved hanne, han sier at: "Hei, det er meg, Valohery" og da vi var glad igjen:-)

Valohery

Rehafa avy nisakafo hariva izahay dia nihirahira niaraka sy nitono masikita hatramin'ny 12 alina. Nandeha natory izahay avy eo.

Når vi var ferdig å spise middagsmat, vi syngt alle sammen og lagt "masikita"(ristet kjøtt) til kl.12 om natt. Vi gått sove etterpå.






Nifoha tamin'ny 7 maraina izahay ary nikarakara pate jaune ho sakafo maraina. Taorian'ny sakafo maraina dia nikarakara ny sakafo atoandro:tsaramaso sy hena ary vary. Nilomano kely teo am-piandrasana ny sakafo. Natsiro be koa io sakafo io.


Vi stått opp kl.7 på morgen og vi lagt pasta som frokost. Etter frokost, vi lagt lunsj: bønner med kjøtt og ris. Vi badt littå vente til maten er ferdig. Det også var veldig god mat.

Rehefa avy nisakafo izahay dia naka aina kely , nampirim'entana ary nandeha nody taty Antsirabe.

Når vi var ferdig å spise, vi slappe av litt, ordne vår bagasje og gått tilbake til Antsirabe.

mercredi 15 août 2007

Vacance eto Antsirabe

Fialan-tsasatra izao. Samy mana ny fomba fanaovany izany fialan-tsasatra izany ny tsirairay. Eto Antsira be dia betsaka ireo mpanao vacance eran'ny tanàna, miaraka amin'ny fianankaviana , na namana, fa ny betsaka indrindra dia miaraka amin'ny olon-tiany.
Toy ny isan-taona, manomboka ny Jolay ka hatramin'ny voalohandohany Desambra, eo ho eo, dia tonga maro be ireo mpizaha tanyary betsaka ireo Hotel-restaurant no feno isanandro.

Det er ferie nå. Hver person har dens aktivitet å passere dens ferie. På Antsirabe, det er mange ferierende på byen, sammen med familien, sammen med venner, men mest mye er sammen med kjæresten.
Som hver år, på juli til debut december, omtrent, turisten kommer mye på Antsirabe og mange hotel-restaurant er full hver dag.

Maro be ny fihetsiketsehana eto Antsirabe izao toy ny fanatanjahan-tena, fifaninanana isan-karazany ary fampisehoana:
Det er mange aktivitet på Antsirabe nå som sport, forskjellig konkurranse og konsert:




Fampisehoana Gospel niarahana tamin'ny ASAMI tao amin'ny Alliance Franco-Malgache tamin'ny 1 Aogositra 2007.
Nilay be izany:-)
Konsert Gospel med ASAMI på Alliance franco-Malgache den 1 August 2007.
Det var kjempe bra konsert:-)




Fampisehoana nataon'ny tarika MAHALEO tao amin'ny Kianja Maitson'i Tsarasaotra ny 2 Aogositra 2007.

Mahaleo dia mpanakanto Malagasy malaza indrindra amin'ny hira ankafizin'ny be sy ny maro

Konsert med MAHALEO på Green park Tsarasaotra den 2 August 2007.
Mahaleo er mest berømt gassisk i folk sang på Madagascar, Frankrike og noen andre land.




Fampisehoana niarahana tamin'ny M'boutah ny 7 Aogositra 2007 tao amin'ny Alliance Franco-Malgache niaraka tamin'ny Silo(Pianista idol-n'ny M'boutah) sy tôty(Basista ary idol-n'ny M'boutah koa)

Konsert med M'boutah den 7 August 2007 på Alliance Franco-Malgache sammen med Silo(Pianist og M'boutahs idol) og Tôty(Bassist og M'boutahs idol også)

vendredi 3 août 2007

Namana






















Marte




Sigrid












Meg og Torkil

Marte, Sigrid ary Torkil dia tena mbola mahay miteny Malagasy. Efa nianatra tao amin'ny sekoly Norveziana (DNS) eto Antsirabe izy ireo. Nihaona tamin'ireo namany rehetra teto Antsirabe koa izy ireo ary tena faly be! Ny andro faharoan'ny nahatongavan'izy ireo teto dia nilalao volleyball izahay niaraka tamin'ny namana rehetra, ary rehefa vita ny volleyball dia nanasa anay izy ireo hiara-hihinana mofomamy sy hisotro jus tao amin'ny DNS, ary rehefa vita izany dia niara nihirahira sy nilalao indray ny hariva.
Marte, Sigrid og Torkil er veldig flink i å snakke gassisk igjen. De har studert på DNS(Den Norske Skole) på Antsirabe. De treffet dens alle venner på Antsirabe og de var så glad da! Fra den annen dag av de kommet her, vi spilt volleyball sammen med alle venner, og når vi var ferdig å spille volleyball, de oppfordrer oss å spise kake og drikke jus på DNS, og etter spise, vi syngt og spilt spilt på kveld.
Mahafinaritra be ry zareo. Iray herinandro izy ireo no nanao vacance teto Antsirabe, nilalao billiard sy nandehandeha tamin'ny tanàna niaraka izahay, nilay be izany!! Marte niteny tamiko fa mbola te hipetraka eto Antsirabr indray;-)
De er så snill. De var en uke på Antsirabe på ferie, vi spilt billiard og gå på tur på byen sammen, det var kult!! Marte sa til meg at hun vil bor igjen i Antsirabe;-)

dimanche 29 juillet 2007

Tranonay




Simba tamin'ny 12 Janoary 2007 farany teo ny tranonay ary io fahasimbana io dia iray tamin'ireo fanomezana ho an'ny mamanay satria tsingerintaonany ny 12 Janoary. 46 taona tamin'io fotoana io izy. Efa manomboka manarina ny trano izahay izao. Hovaina ny drafitry ny trano ary hatao tsara kokoa noho ny teo aloha. Misaotra an'Andriamanitra izahay fa tsy nisy naratra tamin'io fotoana io ary misaotra ireo rehetra izay nanampy anay.


Huset vår var ødelagt den siste 12 Januar 2007 og den ødeleggelse er en gave til mora mi fordi 12 Januar er bursdagen hennes. Hun fått 46 da. Vi beggyner å gjøre godt igjen huset vår. Vi skal forandre planen huset og vi tenker at vi skal gjøre det bedre enn før. Vi takker Gud for at vi var ikke såret da og vi takker alle som hjelpe oss.


jeudi 19 juillet 2007

Mimi




Nahao zanaka ny sakako. Efatra (4) ny zanany nefa vao voalohany izao;-) Mety ho firy ary amin'ny manaraka? Angamba betsaka kokoa dia ho lasa mpanankarena saka izahay:-)
Mbola tsy fantatra ny vadin'i Mimi fa eo am-pitadiavana azy izahay sy ny polisy izao...hihihi!!
Mimi fått barner. Det er først gang men hun fått fire (4);-) Hvor mange barner skal Mimi få senere? Kanskje Mimi får mange enn fire så vi skal være rik av katt;-)
Vi vet ikke enda mannen hennes men vi finner det sammen med polity nå...hihihi!!

jeudi 5 juillet 2007

Teo anilanao



Nahafinaritra be ny teo anilanao, noho ny hafanana vokatr'ireo fifanankakaizana sy fitakosoana. Manantena aho fa mbola haverintsika ireny;-) Mahafinaritra tsara...!! Malahelo anao aho...sipako.
Det var kjempe fint når jeg var ved deg, på grunn av varmen fra deg når vi er sammen. Jeg håper at vi kan gjøre det igjen;-) "Mahafinaritra tsara...!!" Jeg savner deg...kjæresten min.

mercredi 4 juillet 2007

Ekipa football

Ireo izahay nanao match. Efa vizaka be izahay ireo fa mody be zesta fotsiny...hihihi:-)


Toy izao ny lalana mankany amin'ilay toerana nanaovana match.
Tena ratsy be sady eny ambony vohitra, izany hoe fiakarana be, savla be vao tonga;-)
San var veien til plassen der vi hadde matchen. Veien var veldig dårlig og det var opp på mange fiell, det vil si det var veldig bratte veier opp over. Vi var veldig slitne da vi kom fram;-)

mardi 3 juillet 2007

Dia am-bisikileta!!


Ireo izahay nandeha bisikileta, andeha hanao match football t@ sabotsy 30 juin 2007. Vizaka be daholo izahay vao tonga tany amin'ilay toerana nanaovana ny match satria lavitra sady fiakarana be ny lalana, nandingana vohitra maromaro. Ny nahafinaritra dia nihomehy foana teny an-dalana satria tena tia mampihomehy daholo ry zalahy ireo:-)
M'lay 'zany an!!!

Kathrine sy Tsiky.


Izy no sipako, Kathrine Brun no anarany. Any Norvezy izy izao, any no miasa ny ray aman-dreniny fa teto Madagasikara teo aloha. Tena tiako izy ary tena malahelo azy aho izao, nefa manantena fa mbola hifankahita indray aoriana kely...dia ho faly indray;-) Tiako izy!!
Det er kjæresten min, hun heter Kathrine Brun. Hun er i Norge nå, hennes foreldre jobber der men på Madagaskar før. Jeg elsker og savner henne nå, men jeg håper at vi skal treffe senere...og skal bli glad igjen;-) Jeg elsker henne!!

Tsikolain


Izy no izaho ary izaho no Tsiky(Tsikolain). Ity ny blog-ko ka mazotoa mijery sy manaraka vaovao sasantsasany avy amiko!!!
Det er meg og jeg er Tsiky(Tsikolain). Dette er min blogg og dere er alltid velkommene til å se på den!!!