vendredi 2 novembre 2007

Normal Gospel

Normal Gospel dia koral iray eto Antsirabe. Normal dia midika hoe Norveziana-Malagasy. Mihira hira malagasy, hira anglisy ary hira norveziana izahay. Niato fotoana maharitraritra ny koral rehefa tsy nahazo nanao famerenan-kira tao amin'ny sekoly norveziana Antsirabe. Nieritreritra izahay fa tsara ny mihira an'Andriamanitra sy ny manohy ny fiarahana toy ny teo aloha. Nitady toerana hanaovana an'izany izahay ary nahita ny RFF(Radio Feon'ny Filazantsara). Nisy mpikambana norveziana maro tamin'ny mbola tao amin'ny DNS (Sekoly Norveziana) ny foibenay.

Normal Gospel er ett kor på Antsirabe. Normal betyr Norsk-Malagasy. Vi synger gassisk sang, engelsk sang og norsk sang. Vi resterer lange siden med koret når vi kunne ikke ta øve på DNS (Den Norske Skole). Vi tenket at der er fint å synge til til Gud og å fortsette vår forhold som før. Vi søket en plass å gjøre det og vi finnet RFF (Radio Feon'ny Filazantsara). Når sitteplassen til Normal Gospel var på DNS, det var mange norsk venner som ledd.



Ny 17 Oktobra 2007 teo dia nanomboka indray izahay ary i Toky no mpitendry. Malagasy avokoa izahay izao, tsy maro be loatra ary ao amin'ny RFF no foibe.


Den 17 Oktober 2007, vi begynnet på nytt og vi har Toky som pianist. Nå er vi alle gassisk, ikke så mye og sitteplassen er på RFF.


Mbola tianay ny manana namana norveziana ho mpikambana sy manana fifandraisana amin'ny DNS, misionera norveziana, misionera norveziana taloha ary ireo namana norveziana efa any norvezy. Mbola manohy ny fiaraha-miasa amin'ny fiangonana maro eto Antsirabe izahay ary mbola tianay ny hitohizan'ny fiaraha-miasa amin'ny DNS, misionera norveziana, misionera norveziana taloha ary ireo namana norveziana eto Madagasikara sy any Norvezy.

Vi liker igjen å ha norsk venn som ledd og å ha forhold med DNS, med norsk misjonær, gamle norsk misjonær og med de andre norsk venner i Norge. Vi fortsetter vår samarbeid med mange kirke på Antsirabe og vi liker igjen å fortsette vår samarbeid med DNS, med norsk misjonær, med gamle norsk misjonær og med norsk venner på Madagaskar og i Norge.

Aucun commentaire: