mardi 27 novembre 2007

TOTY Dene beste bass spiller

Izy ilay mpilalao gitara basy henjana be teto Madagasikara, maty herinandro vitsivitsy izay...Nahavita zavatra betsaka izy teo amin'ny mozika Malagasy.
Ity anisan'ny sangan'asany tamin'ny fahatanorany:
http://www.dailymotion.com/video/x2nj9g_toty_music

Han er dene beste bass spiller paa Madagaskar som døde,det var noen uker siden...Han betyr mye for alle gassiske musikker.
Det er en av hans performance da han var unge:
http://www.dailymotion.com/video/x2nj9g_toty_music

dimanche 11 novembre 2007

Maty i Tôty


Maty tamin'ny talata 05 Novambra teo i Tôty. Izy dia afaka milalao ny karazan-javamaneno rehetra fa ny tena nahalalana azy dia ny gitara-basy. Malaza tsy eto Madagasikara fotsiny izy fa any amin'ny firenena hafa foa, toa an'i france, Maurice, La Réunion... Betsaka ny mpilalao mozika malagasy mandray azy ho "idole". Betsaka koa ny mpanao mozika malagasy no tsy afaka manadino azy satria izy no ray aman-drenin'ny mpanao mozika malagasy ankehitriny, nampianatra zavatra manan-danja betsaka ho an'ny mpilalao mozika malagasy rehetra izy ary nanome toro-hevitra betsaka. Tena nikohizana izy ary betsaka ny tantara napetrany izay tsy ho adinoinay!!


Tôty er død den tirsdag 05 November 2007. Han kan spille alle musikk-instrument men hans spesialitet er bass-gitar.Han er så berømt ikke bare på Madagaskar men på andre land også, som France, Mauritius, La Réunion... Det er mange gassisk musikalk som gjøre hanne som idol. Mange gassisk musikalk kan ikke glemme hanne fordi han er
foreldren til alle gassisk musikalk nåværende, han har lært mange god ting til alle gassisk musikalk og gav mange råd. Han var så flink og det er mange historie fra han som vi skal ikke glemme!!

vendredi 2 novembre 2007

Normal Gospel

Normal Gospel dia koral iray eto Antsirabe. Normal dia midika hoe Norveziana-Malagasy. Mihira hira malagasy, hira anglisy ary hira norveziana izahay. Niato fotoana maharitraritra ny koral rehefa tsy nahazo nanao famerenan-kira tao amin'ny sekoly norveziana Antsirabe. Nieritreritra izahay fa tsara ny mihira an'Andriamanitra sy ny manohy ny fiarahana toy ny teo aloha. Nitady toerana hanaovana an'izany izahay ary nahita ny RFF(Radio Feon'ny Filazantsara). Nisy mpikambana norveziana maro tamin'ny mbola tao amin'ny DNS (Sekoly Norveziana) ny foibenay.

Normal Gospel er ett kor på Antsirabe. Normal betyr Norsk-Malagasy. Vi synger gassisk sang, engelsk sang og norsk sang. Vi resterer lange siden med koret når vi kunne ikke ta øve på DNS (Den Norske Skole). Vi tenket at der er fint å synge til til Gud og å fortsette vår forhold som før. Vi søket en plass å gjøre det og vi finnet RFF (Radio Feon'ny Filazantsara). Når sitteplassen til Normal Gospel var på DNS, det var mange norsk venner som ledd.



Ny 17 Oktobra 2007 teo dia nanomboka indray izahay ary i Toky no mpitendry. Malagasy avokoa izahay izao, tsy maro be loatra ary ao amin'ny RFF no foibe.


Den 17 Oktober 2007, vi begynnet på nytt og vi har Toky som pianist. Nå er vi alle gassisk, ikke så mye og sitteplassen er på RFF.


Mbola tianay ny manana namana norveziana ho mpikambana sy manana fifandraisana amin'ny DNS, misionera norveziana, misionera norveziana taloha ary ireo namana norveziana efa any norvezy. Mbola manohy ny fiaraha-miasa amin'ny fiangonana maro eto Antsirabe izahay ary mbola tianay ny hitohizan'ny fiaraha-miasa amin'ny DNS, misionera norveziana, misionera norveziana taloha ary ireo namana norveziana eto Madagasikara sy any Norvezy.

Vi liker igjen å ha norsk venn som ledd og å ha forhold med DNS, med norsk misjonær, gamle norsk misjonær og med de andre norsk venner i Norge. Vi fortsetter vår samarbeid med mange kirke på Antsirabe og vi liker igjen å fortsette vår samarbeid med DNS, med norsk misjonær, med gamle norsk misjonær og med norsk venner på Madagaskar og i Norge.