jeudi 7 février 2008

Miaraka amin'ny ankizy

Nahafinaritra be tamin'ny alarobia teo fa niaraka tamin'ny ankizy kely tany amin'ny sekoly iray tao Myre za. Mahafinaritra be daholo na ny ankizy na ny mpampianatra;-) Nipetraka kely tao am-pianarana ny maraina dia avy eo nilalao ski manodidina ny sekoly. Ny fomban-dry zareo dia rehefa vita ny filalaovana ski dia mitono saucisse sy misotro zava-pisotro samihafa.


Tena cool be daholo ny ankizy sady te hiaraka amiko foana na mandeha misotro rano kely aza za, na manary rano koa:-)


Ohatr'izao izy rehefa mandeha ski...efa tokony manao fifaninanana iraisam-pirenena;-)
Rehefa vita ny kilalao tany an-tokotany dia niditra tao am-pianarana indray ny rehetra dia nihira sy nanao kilalao maro samihafa. Niteny ny ankizy fa tian-dry zareo za raha mankany foana isanandro;-) Sady faly be daholo koa ny mpampianatra rehefa tao aho dia niteny ry zareo fa afaka tonga isak'izay tiako aho...