lundi 15 octobre 2007

Hvem er henne?

Izy dia vehivavy mahafatifaty toy ny anjely, vehivavy voatokana ho an'i Tsiky. Izy koa dia vehivavy manana fitsiky mahafinaritra sy oroka mamy sy malemy be. Mahafinaritra be daholo ny fianakaviany. Vehivavy norveziana izy ary malagasy kely koa satria efa nipetraka 4taona teto Madagasikara ary tia sakafo malagasy;-) Izy dia tia mikarakara sakafo sy manao fanatanjahan-tena miaraka amiko;-) Izy dia vehivavy mahafinaritra izay tia ny namany rehetra ary vehivevy tokana izay manana tsingerin-taona nahaterahana androany...iza ary izy?


Hun er ei fin jente som en engel, ei spesiell jente for Tsiky. Hun også er ei jente som har en fint smil og søt kyss. Familien henne er alle så snill. Hun er ei norsk jente og litt gassisk også fordi hun har bott 4år på Madagaskar og liker gassisk mat;-) Hun liker å lage mat og gjøre sport sammen med meg;-) Hun er ei snill jente som liker alle vennen henne og hun er ei unik jente som har bursdag i dag...Hvem er henne?








Valiny: Kathrine BRUN
Svar : Kathrine BRUN

dimanche 14 octobre 2007

Nils Kristian og Paula HøIMYR.

Misionera norveziana taloha izy ireo ary efa nipetraka 11taona teto Madagasikara. Tany Norvezy izahay no nihaona voalohany tamin'ny dianay tany. Mamangy an'i Madagasikara ry zareo izao ary nifankahita indray izahay teto Antsirabe tamin'ny Alakamisy farany teo tao amin'ny "Hotel ds Thermes". Mbola tena mahay teny gasy tsara izy ireo. Nahazo fanomezana tamin-dry zareo ny fianankaviako ary nanomana zavatra kely ho azy ireo koa ny fianankaviako. Tena mahafinaritra ry zareo ary faly avokoa izahay!! Tian-dry zareo aho raha mamangy azy ireo any Norvezy rehefa tonga any!

De er gamle norsk misjonær på Madagaskar og de har bott 11år på Madagaskar. Vi treffet dem i Norge da vi har reist der også det er først gangen vi treffet dem. De besøker Madagaskar nå og treffet igjen her i Antsirabe den siste torsdag på "Hotel des Thermes". De er så flink igjen i å snakke gassisk. Familien min fått masse fint gave fra dem og vi lagt en gave til dem også. De er så snill og vi er så glad alle sammen!! De vil meg å besøke dem, i Norge, når jeg kommet der!