dimanche 14 octobre 2007

Nils Kristian og Paula HøIMYR.

Misionera norveziana taloha izy ireo ary efa nipetraka 11taona teto Madagasikara. Tany Norvezy izahay no nihaona voalohany tamin'ny dianay tany. Mamangy an'i Madagasikara ry zareo izao ary nifankahita indray izahay teto Antsirabe tamin'ny Alakamisy farany teo tao amin'ny "Hotel ds Thermes". Mbola tena mahay teny gasy tsara izy ireo. Nahazo fanomezana tamin-dry zareo ny fianankaviako ary nanomana zavatra kely ho azy ireo koa ny fianankaviako. Tena mahafinaritra ry zareo ary faly avokoa izahay!! Tian-dry zareo aho raha mamangy azy ireo any Norvezy rehefa tonga any!

De er gamle norsk misjonær på Madagaskar og de har bott 11år på Madagaskar. Vi treffet dem i Norge da vi har reist der også det er først gangen vi treffet dem. De besøker Madagaskar nå og treffet igjen her i Antsirabe den siste torsdag på "Hotel des Thermes". De er så flink igjen i å snakke gassisk. Familien min fått masse fint gave fra dem og vi lagt en gave til dem også. De er så snill og vi er så glad alle sammen!! De vil meg å besøke dem, i Norge, når jeg kommet der!

Aucun commentaire: