Miaraka amin'ny ankizy
Nahafinaritra be tamin'ny alarobia teo fa niaraka tamin'ny ankizy kely tany amin'ny sekoly iray tao Myre za. Mahafinaritra be daholo na ny ankizy na ny mpampianatra;-) Nipetraka kely tao am-pianarana ny maraina dia avy eo nilalao ski manodidina ny sekoly. Ny fomban-dry zareo dia rehefa vita ny filalaovana ski dia mitono saucisse sy misotro zava-pisotro samihafa.
Tena cool be daholo ny ankizy sady te hiaraka amiko foana na mandeha misotro rano kely aza za, na manary rano koa:-)
Ohatr'izao izy rehefa mandeha ski...efa tokony manao fifaninanana iraisam-pirenena;-)Rehefa vita ny kilalao tany an-tokotany dia niditra tao am-pianarana indray ny rehetra dia nihira sy nanao kilalao maro samihafa. Niteny ny ankizy fa tian-dry zareo za raha mankany foana isanandro;-) Sady faly be daholo koa ny mpampianatra rehefa tao aho dia niteny ry zareo fa afaka tonga isak'izay tiako aho...
1 commentaire:
Hello. This post is likeable, and your blog is very interesting, congratulations :-). I will add in my blogroll =). If possible gives a last there on my blog, it is about the Home Theater, I hope you enjoy. The address is http://home-theater-brasil.blogspot.com. A hug.
Enregistrer un commentaire