mardi 8 janvier 2008

Tratry ny taona e...

Inona fa de izao tratry ny taona 2008 izao indray e! Raha ny vaovao ambara dia toa maromaro ihany fa ny itantarana azy no manahirana:-) Tena betsaka ny programa sy ny fanasana maro samihafa:

Talohan'ny krismasy aloha dia tena be fanomanana be kay ny fetin'ny vazaha, mividy fanomezana isan-karazany ho an'olona be dia be ary tsy amin'ny tanàna iray ihany no mividy izany fa mandehandeha tanàna betsaka.

Taorian'ny krismasy indray dia naka aina kely indray andro dia lasa indray izaho sy Kathrine, izany hoe ny eto afaka tsy miaraka ny fianakaviana rehefa faran'ny taona sy taom-baovao. Tany amin'ny tanàna iray alavidavitra izahay no nanao "reveillon", nilay be izany an!! Misolo bus in-telo ary miampita sambo in-droa vao tonga any amin'ilay toerana. Ary tamin'ny taom-baovao dia namonjy fivoriana tanora marobe izahay teo amin'io tanàna io ihany nandritra ny 4 andro, nilay be koa izany!! Toy izao ny revy tany:




















Milay be ny vacance eto, mahafinaritra be daholo koa ny olona!! Betsaka ny zavatra azo atao eto fa ny mahafinaritra koa dia ny milalao lanezy izay mbola tsy fanao any am-tanàna:

Aucun commentaire: